Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Mampiteny ny moana ny fitohanana


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Tena henjana sy mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina.

 

 

 

 Tsentsina tanteraka ny ato anatiny, toy ny eny Petite vitesse, Soarano sy Behoririka, Analakely, Andravoahangy,... Mifanaretsaka isan’andro ny olona, ary zary lasa saingisangin’ny sasany aza ny hoe: manam-bola ihany kay ilay Malagasy fa miantsena isan'andro. Toa efa nisy fandaminana nataon'ny CUA ihany ilay eo Soarano midina behoririka, fa dia tsy mivaha ny olona noho ny fahamaroan’ny olombelona miantsena. Mibosesika hatrany ny olona, ary mety ho anton’io ny fahatongavan’ny avy any amin’ny faritra mamonjy fety eto an-drenivohitra, fa eo ihany koa ireo tonga hiantsena ny entana hamidy any amin’ny faritra. Ny fiara ihany koa etsy andaniny mibosesika, saingy mandany ora maro vao tonga any amin’izay haleha. Fomba fanao any amin’ny firenen-dehibe ny mandray fepetra, toy ny fampifandimbiasana ny fiara manana laharana ankasa sy tsy ankasa. Mila hampiroboroboana ihany koa ny tolotra, toy ny tsena sy ny entana amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra, mba tsy hifanisihana ato anatiny.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT