Antananarivo renivohitra

Ho tapaka indray ny lalana


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Ho tapaka indray ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra ny lalana maromaro eto

an-drenivohitra ny zoma 7 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora maraina, taorian’ny efa fanapahana izany nandritr’ilay hetsika Look race niteraka resabe ho nivoy fihetsika mamoafady ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fananganan-tsaina manoloana ny lapan'ny tanàna Analakely na «Parvis» ho mariky ny fanokafana ny fankalazana ny 26 jona kosa no voalaza fa anton’ity fanapahan-dalana manaraka ity. Isan’ny ho tapaka ny eny amin’ny Araben'ny fahaleovantena, miainga eo amin'ny Gara Soarano hatreo amin'ny Tripolitsa Analakely. Ny lalana Andriamasinavalona manoloana ny tranombarotra Tia Com. Ny lalana Andriantsilavo, mitsofoka amin'ny kaomisaria boriborintany voalohany. Noho izany, ho an'ireo fiara rehetra avy any Ambohijatovo hihazo an'Analakely dia mandray ny lalana Rabefiraisana (Pietra/Naza) ary manohy ny lalana mahazatra azy mandra-pahavitan'ny lanonana, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly. Efa iaraha-mahalala moa ny fahasahiranana amin’ny resaka fifamoivoizana eto Antananarivo isan’andro kanefa dia mitohy miampy fanapahan-dalana matetika toy izany hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT