Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Hikatona ny lalana sasany amin`ny alina


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Ao anatin` ny fanatsaràna ny kalitaon' ny fotodrafitrasa indrindra amin`ny resaka

 

 

lalana eto an-drenivohitra, dia misy amin`ireo lalana sasany no voatery notapahina satria namboarina nanomboka ny 24 desambra teo hatramin'ny febroary 2021. Ohatra ny lalana Révérend Père Callet, mampitohy an'i Behoririka sy Antanimena, izay mikatona isan-kariva manomboka amin'ny 8 ora alina ka hatramin'ny 5 maraina hatramin' ny 7 febroary izao. Toy izany koa ny lalana Naka Rabemanantsoa izay hakatona ihany koa amin' ireo mpampiasa lalana eo anelanelan'ny 8 ora alina sy 05 ora maraina manomboka ny alakamisy 07 Janoary ka hatramin'ny alahady 07 febroary izao. Marihana fa ny orinasa Mamorisoa no tompon'andraikitra amin'ny famerenana ireo lalana ireo araka ny naoty navoakan` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hisy kosa ireo lalana hafa eto an-drenivohitra no havaozina ihany koa amin'ny fiandohan'ity taona ity, izay hikatona mandritra ny alina.

 

 Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT