Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra An-dalana hiverina lalan-tany


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Potika tanteraka I Antananarivo ankehitriny. Iza no sahy handa izany? Miangona sy misavovona ny fako. Tsy misy mpaka raha tsy herinandro maro,

mba tsy hilazana hoe am-bolana mihitsy ny ankamaroany? Ahitana fahasimbana sy kilaodaoka na lavaka be daholo mihitsy izay lalana diavina rehetra eto amin’ny renivohitr’I Gasikara izay efa zary laza sy anarana fotsiny ity. An-dalana hiverina lalan-tany mihitsy angamba no tsotra indrindra azo ilazana azy! Ny hany hita miharihary indrindra amin’ny hetsika ataon’ilay hoe ben’ny tananan’ilay renivohitra anefa dia tsy misy afa-tsy ny mianiany sy mananiany ny tsy fahombiazany eny amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy tambazotran-tserasera amin’ny efa miha manavanana ny be sy ny maro koa anefa ny mikirakira azy no hanaovany izany fa ary amin’ny mbola vitsy dia vitsy mpampiasa dia ny “twitter” izany. Heverin’ingahy ben’ny tanana ve fa tsy hisy mpahita afa-tsy ny akamakamany izy raha any no manao an’ireny sa inona no dikany raha toa ka fantatra fa tsy maintsy hisy hitatitra any amina tambazotra hafa be mpampiasa ihany izany? Izany no maha seriny ilay hoe ben’ny tanana nilokaloka fa Antananarivo tsy maintsy mandroso ary azo aterina any aminy ny fakon’ireo mponina izay misy mpaka nefa ny arabe rehetra ao amin’ilay tanana hiadidiany aza an-dalana hiverina lalan-tany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT