Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra 600 Ar ny taxibe manomboka anio


  • Talata 12 Jolay 2022

Tsy maintsy miakatra ihany ny saran-dalana amin’ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hihatra manomboka anio talata 12 jolay izany vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia 600 Ar izany fiakarana izany fa tsy 1.000 Ar araka ny voalazan’ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU akory. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny roa tonta nandritra ny fihaonan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin'ireo fikambanan'ny mpitatitra maro isan-tsokajiny. Raha araka ny fantatra anefa dia na ilay fiakarana 1.000 Ar io aza efa tena tsy ampy an’ireo mpitatitra sy ny tompon’ny fiara eto amintsika intsony. Noho ny fiakaran’ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiara no anton’izany raha eo ihany koa ny haratsian-dalana. Nanaiky ilay fiakarana 600 Ar ihany anefa izy ireo. Na izany aza dia mampitaraina ny mpanjifa hatrany io fiakarana 100 Ar io. Rehefa mitambatambatra mantsy io 100 Ar io dia mety hahatrarana an’aliny maro rehefa mifarana ny volana nefa ny vola miditra tsy mitombo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT