Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra 180 lahy ireo mivelona aminy taxi-bisikileta


  • Alarobia 08 Jona 2022

Mahatratra 180 isa ireo vatan-dehilahy mivelona amin’ny asa fitondrana taxi bisikileta eto Antananarivo renivohitra.

Saika avy any ambanivohitra avokoa ny ankamaroan’izy ireo miasa isan’andro manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 07 ora hariva, mitatitra ireo mpandeha tsy mahazo taxibe miala eo Anosizato miazo an’i Fenoarivo, Alakamisy Fenoarivo….Manomboka amin’ny 1000 Ar ny saran-dalana raha araka ny fanadihadiana natao, miankina amin’ny halaviran-dalana. Na izany aza anefa dia tsy mahavelona ity asa ity. Zara raha mahita ny hanin-ko hanina isan’andro mantsy ireny mpitondra ireny taxi bisikileta ireny fa raha ny hangonina kosa dia tsy misy, raha araka ny resaka nifanaovana tamina raim-pianakaviana iray. Rehefa tonga any an-tokantrano anefa hoy izy ireny dia tsy maintsy mbola orina amin’ny rano mafana indray ny ranjo sy ny fitombenana hahafahana mahita tory. Tena mandreraka mantsy ny fitondrana olona amin’ny bisikileta hoy hatrany ny fanazavany. Mongo ny fitombenana hoy ity raim-pianakaviana iray raha reraka ihany koa ny ranjo amin’ny famoizana ilay bisikileta. Marihina moa fa mbola tsy ara-dalàna izy ireo na izany aza. Miasa mitatitra olona fotsiny ihany, asa fivelomana nipoitra nandritra ny fihibohana vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika ary lasa nahazatra ny olona. Nanampy trotraka izany rahateo ny fitohanana lavareny etsy sy eroa ka rehefa tsy mahita moto dia aleon’ny olona mitaingina bisikileta.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT