Fifamoivoizana

Antananarivo Nampiseho ny heriny ireo taxi bisikileta


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Nanao fitokonana teny Anosibe ireo mpitondra bisikileta an-jatony izay mitaky ny hamoahana ireo bisikileta nogiazan’ny mpitandro ny filaminana ny zoma lasa teo.

 

 

Naneho fa tsy rariny ary tsindrihazolena atao amin’ny madinika ny fanagiazana ny bisikiletany, ka namondrona ny heriny. Nisy mihitsy ny fanapahana ny fifamoivoizana. ”Ny bisikileta dia tsy natao hitondrana olona roa” hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Analamanga, Hector Razafindrazaka. Rehefa nisy ny fampiresahana teo amin'ny roa tonta dia naverina amin'ny tompony avokoa ireo voatazona teo anivon’ny polisy Anosy. Araka ny fanambaran'ny avy ao amin'ny Filaminam-bahoaka tamin'ireto mpanao fihetsiketsehana "raha te hiasa hitondra olona ianareo noho izao fahasahiranana noho ny aretina izao, araka ny fitarainanareo dia, haverina ny bisikileta saingy mila mifampiresaka amin'ny kaomina ianareo mangataka alalana hahafahanareo miasa mitatitra olona. Rehefa vita izay, tsy misy olana ny aty aminay polisy fa avela malalaka ianareo mikarama mitatitra olona", hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. “1000Ar ny lamandy aloa amin'ny bisikileta iray miditra fourrière" hoy hatrany ny polisy. Mpamily sy mpanampy mpamily fiara fitateram-bahoaka ny maro amin'ireo mpitondra bisikileta ireo. Nirohotra hihazo an’Anosipatrana ireo mpitondra bisikileta avy eo, ary nisy mihitsy ny fanakanana ny fifamoivoizana, toy ny teny Anosizato.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT