Fifamoivoizana

Antananarivo Miha mahazo vahana indray ny loza ateraky ny Moto


  • Talata 20 Jona 2023

Moto roa no nifandona ary tena nifanao « face à face » mihitsy omaly, ny nanahirana dia vehivavy nitondra vohoka no nitaingina ilay moto iray ka somary voadona mafy ihany ramatoa .

Tsikaritra ho niha maro indray tato ho ato izay ny loza nateraka na mifandraika amin’ny moto teto Antananarivo. Raha mba maratra na misy rapa moa mety ho voatsabo ihany fa ny mampalahelo dia misy mihitsy ireo namoy ny ainy. Rehefa naverina nodinihina ny tranga dia tsikaritra fa eo aloha ny fandehanana mafy sy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ka izay no mahatonga ny loza.Misy ihany kao ireo tia mifampitsapatsapa amin’ny hafainganam-pandeha sy ny mitondra moto kanefa avy nisotro zava-pisotro maha mamo. Misy ihany ny fanarahamaso ataon’ny mpitandro filaminana saingy toa mitombo hatrany ny loza ; misimisy ihany rahateo mitondra sy mitaingina moto no tsy manaraka ny fepetra takiana, tahaka ny hoe fanaovana aroloha (casque) .Mbola tsy resahana aza amin’izany ilay hoe kiraro mafy sy akanjo matevina mifanaraka amin’ny fitondrana moto.Tsikaritra fa mbola maro ihany koa ireo moto taingim-be , izany hoe mihoatra ny olona 2, misy hatramina fianakaviana kely mihitsy (4 mianaka) no mitaingina moto iray, ka rehefa sanatria tojo ny tampoka dia mitranga ny loza. Tahaka ny taxibe ihany dia mila fanarahamaso hentitra ity fifamoivoizana amin’ny moto ity fa lasa loza mananontanona isan’andro eny amin’ny arabe eny. Zava-dehibe manraka izany ihany koa ny fanabeazana sy fampianarana mihitsy ireo mpitondra kodiaran-droa mba tsy hanaotao foana sy hisangisangy ratsy eny an-dalambe eny ho fiarovana ny ainy sy ny hafa.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT