Fifamoivoizana

Antananarivo Mba te ho ara-dalàna ihany koa ny Taxi-bisikileta


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Ankoatra ny taxi moto dia manomboka mahazo vahana eto amintsika ihany koa ny taxi-bisikileta.

Eny amin’iny faritra Anosy sy Anosibe ary Anosizato iny no tena ahitana azy ireny. Manomboka amin’ny 500 Ar ny saran-dalana ka hatramin’ny 2000 Ar miankina amin’ny halaviran-dalana. Raha araka ny fanadihadiana natao dia efa nanomboka tamin’ny fotoanan’ny fihibohana ka tsy nampisy ny taxibe no nampahazo vahana azy ireny. Efa mahatratra eo amin’ny 60 isa eo izy ireo ankehitriny ka saika ireo tovolahy avy any ambanivohitra zatra manao bisikileta avokoa no manao ilay asa. Mangataka ny hidirany amin’ny sehatra ara-dalana izy ireo araka izany indrindra fa ny fahafahany miditra ao anatin’ny tananan’Antananarivo renivohitra. Mbola voafetra ihany mantsy ny faritra hahafahan’izy ireny miasa. Anisan’ny lafy ratsin’iny taxi-bisikileta ity moa ny loza mety hitranga tampoka eny an-dalana na dia hahafahana miady amin’ny fitohanana ihany koa aza izy. Olona mianaka ohatra no nazeran’ireny taxi-bisikileta ireny teny Anosibe andro vitsy lasa izay noho ny haratsian’ny sezany avy aoriana izay navadika ho seza hazo. Miezaka misisika toy ny moto ihany koa mantsy izy ireny amin’ny harivariva sy amin’ny maraina izay fotoana samy mahabe olona avokoa. Ny taxi lamosina sisa araka izany no andrasana dia feno tanteraka ny fitaterana olona eto amintsika ialana amin’ny fitohanana. Efa manomboka misy ihany koa mantsy amin’izao ny fibabena olona indrindra ho an’ireo lehilahy matanjaka rehefa tena tsy misy ny taxibe amin’ny harivariva iny.
Pati
Legende : Miha maro ireo taxi bisikileta
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT