Fifamoivoizana

Antananarivo Hiverina hiasa ny taksibe ?


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Mandeha ny siosion-dresaka fa mety hiverina hiasa ny taksibe amin’ny herinandro ambony. Nambaran’ny fitondram-panjakana fa ny fitateram-bahoaka no isan’ny tena nampiparitaka ny valanaretina betsaka coronavirus, izay somary miteraka adihevitra ihany hoe:

 

 

 io ve no mamindra bebe kokoa sa ny vola kirakiraina ohatra? Rariny raha miverina miasa ao anatin’ny fanajana fepetra ara-pahasalamana ny taksibe satria ny fanjakana rahateo milaza fa efa tao anatin’ny “PIC” isika ny volana jolay, ary ny tranga omaly rahateo dia efa 43 sisa ny olona vaovao voa teto Analamanga. Fanapahan-kevitra mandeha ila sy fampijaliana vahoaka ny filazana fa afaka mirava amin’ny 5ora, fa miantoka fitaterana ny orinasa, raha ny fanamarihana sy ny fitarainana samihafa. Vitsy ny orinasa afaka mitatitra ny mpiasany izany, ary ny famokarana sy fidiram-bola rahateo tena marefo, ary karazana fanilihana ny filazan’ny Minisitry ny asa fa izay tsy misy fiara dia mijanona. Reraka ny olona, torovana, ary vao mainka tsy hahatohitra ny valanaretina, kanefa tsy maintsy mitady sy miasa. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ka ahiana ihany koa ny aim-bahoaka indrindra fa amin’ny fodiana hariva. Ny sehatry ny fitaterana ihany koa etsy andaniny efa mimenomenona satria sady tsy miasa no tsy misy fanampiana. Maro ny bokan-trosa, kanefa ny mpiasa ihany koa mbola ao anatin’ny sehatra tsy manara-drafitra na “secteur informel” tsy afaka hisitraka akory ny findramam-bola azon’ny mpiasa mpikamban’ny CNaPS hatao araka ny tenin’ny Filoha. Soso-kevitra efa miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera ny tokony hamelana hiasa ny taksibe amin’izay, ka atao olona roa isaky ny “rangé” ihany ary atao 1000 Ar ny sarany. Izao ihany koa no ilàna ny fanampiana na “subvention” avy amin’ny fanjakana, na koa fampidinana ny vidin-tsolika izay ara-drariny raha ny zava-misy maneran-tany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT