Nanamafy ny fikambanan’ny koperativa miasa eto an-drenivohitra na ny UCTU tamin’ny alalan’ny filohany Randrianatoandro Lovasoa Angelo, ny alatsinainy teo, fa ho raikitra ny fitokonana anio alarobia 27 jona.
Tsara ny manamarika fa nanome fe-potoana hatramin’ny zoma 22 jona teo handoavana ny fanampiana hanentsenana ny fiakaran’ny vidin-tsolika izy ireo. Noho ny olana mianjady amin’ny mpitatitra iray manontolo no antony, anisany ny hetra izay niakatra 90%, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra. Eo ihany koa ny solika izay ny 90% amin’ny mpanjifa an’io dia ny mpitatitra. Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny fifampiresahana amin’ny fanjakana. Raha ny tokony ho izy anefa, dia 2000Ar ny vidin’ny solika raha tena mitsinjo ny mpitatitra marina, hoy hatrany ny filohan’ny filohan’ny UCTU. Ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo (OMH) Laurent Rajaonarivelo anefa, dia efa nilaza fa 370Ar eo no tokony ho fisondrotana hahatrarana ny vidiny tena izy. Ny fifampiresahana no betsaka, fa ny mpitatitra matoa tonga amin’izao, dia ny taratasy angamba no mandeha any ambony any fa ny fanampiana dia tsy tonga aty aminay, raha ny nambarany. Ho an’ireo mbola manohy ny asa dia mety nahazo ny « subventions » manokana na lalam-bola manokana izany izy, fa hatreto ny mpikambana ao amin’ny UCTU sy UCTS, dia tsy mbola tonga any amin’ny finday amin’ny alalan’ny « mobile banking » ny fanampiana. Ny maro an’isa amin’ny mpitatitra dia tsy mitatitra, ary hisy ny fepetra horaisina. Samy tompon’andraikitra feno ny lehiben’ny koperativa ary mahafehy ny olony, ka na eo aza ny hoe omby iray mandry tsy indray mifoha, dia ny 98%, dia hiato aloha anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.