Fifamoivoizana

Antananarivo Fiara 57 nosavaina, 08 naiditra am-balam-pamonjana


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Nanatanteraka hetsika fitsirihana tampoka an-dalambe ny Foibe fitsarana fiarakodia, izay notarihin’ny Tale

jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia sy Atoa Tale Jeneraly lefitra ary ireo ekipan’ny Sampan-draharaha misahana ny fitsirihana ara-teknika an-dalambe (SOCR). Teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina mihazo an’Ivato, Anjomakely,Ambohimarina,Ambatolampy Tsimahafotsy, Soavimasoandro, ary Ambodifasina no nanatontosana izany, nandritra ny roa ora tsy niato. Miisa 57 ireo fiara voasava ka ny 23 isa voatery nosintomina ny taratasiny, 08 noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika ka naiditra am-balam-pamonjana. Ny 15 tamin’ireo no tsy maintsy natao “inaptes” noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Miisa 07 kosa ireo fiara ratsy endrika ivelany sy anatiny ka tsy maintsy hatsaraina ; 01 ny fiara nasaina nanala teo ho eo ny « Pellicule » matroka manarona ny fitaratra (vitres fumées) raha 01 ny fiara tratra nampiasa ireo “Attestation de déclaration de perte” .Nisy ny fanentanana ireo mpamily nandritry ny fisavana ny amin’ny tsy tokony ampiasana ireny jiro LED ireny sy ilay antsoina hoe « vitres fumées » izay hanaovana antso avo ho an’ny mpitandro filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nafana ny fisavana fiara teto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT