Fifamoivoizana

Antananarivo Atsimondrano Mampijaly ny mponina ny tohamboivoy lavareny


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Maika amin’ilay tetikasa flyover ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Lohalaharana amin’ireny ny mponin’Itaosy sy Ampitatafika.

Niverina indray mantsy ny fitohanana eny amin’ireo faritra roa ireo. Lalana 1 km monja hatao ao anatin’ny 30 ka hatramin’ny 45 minitra efa ho tapa-bolana izao. Ankehitriny hiditra indray ny mpianatra vao mainka hangidy lavitra noho izany ny fitohanana hoy ireo mponina raha vantany vao tsy tafavoaka ao an-tokantrano amin’ny 06 ora maraina. Ho an’ny lalana avy eny Ampasika miazo an’Itaosy manokana dia mila manana ora 02 latsaka vao tonga eto an-tanan-dehibe isan’andro. Ankoatra ireo sampanana maro samihafa hivoahan’ny fiara miala eny Andranonahoatra dia olana goavana ihany koa ny fivoahana eo amin’ny rond point Ampasika. Ho an’ny miazo an’Ampitatafika indray dia olana goavana ihany koa ny mivoaka sy miditra ny rond point Anosizato… Maika araka izany ireo mponina eny Atsimondrano ny amin’ny hahavitan’ilay tetikasa flyover hamahana ny fitohanana eny an-toerana. Ho an’Ampitatafika manokana moa dia fantatra fa tsy nisy nanda ity tetikasa ity ny ankamaroan’ireo mponina fa saika nanaiky avokoa. Andrasana araka izany ny fotoana hanombohan’ny tetikasa raha anisan’ny vahaolana fohy ezaka maika kosa ny hitadiavan’ny fanjakana vahaolana ny amin’ny fitohanana miazo an’Atsimondrano mandrapahavitan’izany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT