Fifamoivoizana

Antanambao Manampontsy Ny lalana no mamotika ny toekarena


  • Talata 20 Aogositra 2019

Ny lafiny rehetra ahafahana mandroso dia ananan’ny ditrikan’i Antanambao Manampontsy avokoa na ny fambolena, fiompiana, harena ankiboan tany, ny ala…

 

 

 Ny olona koa manana rahateo, hoy Randrinarivelo Justin Abel, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ity distrika ity. Raha mivaha ny lalana dia azo eritreretina fa hivoatra io distrika io. Ao aminy no misy ny « graphite » tsara indrindra. Mivelona amin’ny kafe, jirofo, lavanila, dipoavatra,… ny mponina any an-toerana. Raha fehezina dia manana ny lafiny rehetra hampandroso azy. Mampanantena izay daholo ireo mpanao politika : manomboka eo amin’ny ben’ny tanàna , ny depiote, hatramin’ny filoham-pirenena.    Antanambao Manampontsy dia mpifanila vodirindrina amin’i Moramanga, Anosibe An’ala, Vatomandry ary Mahanoro. Iaraha-mahalala anefa, hoy izy, fa tsy sampanan-dalana (carrefour) ny distrika Antanambao Manampotsy fa toerana farany sady distrika kely. Mety ho izay no antony, hoy izy. Mety halaim-panahy ny olona tsy hametraka ny fanamboarana io lalana io ho laharam-pahamehana. Nomarihany hatrany fa sandaina 200 Ar isa-kilao no hitondrana ny entana ho an’ireo distrika manodidina ary avo roa na telo heny any amin’ireo toeran-kafa. Eo Ara-tsosialy dia tsy misy tribonaly sy sampandraharahan’ny fananan-tany any an-torana fa any Vatomandry. Ny olana goavana dia tsy mitondra olona ny fiara any fa entana ihany. Raha misy olona mikarakara taratasy, raha in’efatra miverina mankany amin’ny « domaine » na tribonaly dia mandeha 1200km an-tongotra satria tsy azo ivezivezena vokatry ny haratsian-dalana, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT