Fifamoivoizana

Anosizato, Fasan’ny karana Amin’ny 5 ora hariva dia efa raikitra ny sinto-mahery


  • Zoma 11 Janoary 2019

Amin’ny 5 ora hariva dia efa miasa ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy etsy Anosizato sy Fasan’ny karana isan’andro, raha araka ny fanazavan-dRandrianarijaona Liva, sefom-pokontany etsy Anosizato Atsinanana I.

 

Mody manaitra avy any amin’ny ilan’ny fiara an-kavia izy ireo  nefa efa misy namany mamoha ny varavarana sy misava ny ao anatiny mihitsy any amin’ny ilan’ny fiara an-kavanana.  Ho an’ireo mpandeha an-tongotra indray dia  sinto-mahery avy hatrany no hataon’ireo mpanao ratsy ary lasa mitsoaka izy ireo avy eo.  Roa isan’andro raha kely no lasibatra, hoy izy, antony  nametrahan’izy ireo ny andrimasom-pokontany manerana ireo sektera fito izay miasa aloha be raha oharina amin’ireo fokontany sasany. Miantso ny rehetra mba ho mailo ny tenany, indrindra ho an’ireo  mampiasa ny lalana  etsy Anosizato Atsinanana mihazo ny Fasan’ny karana. Mikasika ny lalana ao amin’ity fokontany iray ity dia nomarihin-dRandrianarijaona Liva fa tena mijaly tanteraka ny mponina amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ireo kodiarana fiara efa tsy miasa intsony no hampiasaina dia hatambatra ho fiarovana an’ireo olon-dehibe sy ireo ankizy madinika. Nomarihiny fa efa nisy ihany ny fampanantenana nataon’ny fanjakana hanamboarana ny lalana ao anatin’ity fokontany ity saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT