Fifamoivoizana

Anosizato Andrefana Lavaka be iray mahatonga amboteiazy


  • Talata 22 Janoary 2019

Henjana raha samy fitohanan’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra ny eny Anosizato. Maro no antony.

 

 

 Eo aloha ny fahateren’ny lalana, ny fahamaroan’ny fiara mifamoivoy na koa ny tsy fisian’ny fandaminana matotra miampy tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Fa antony iray mampikatso ny fifamoivoizana ihany koa ka mahatonga ny fitohanan’ny fiara miainga eo amin’ny Fiantsonan’ny Taksibe manakaiky ny biraom-pokontany Anosizato andrefana mandalo ny hotely silverstar ka tonga hatreny amin’ny Arrêt vaovao fasan’ny Karana mihitsy aza ny fisiana lavaka be dibo-drano eo amin’ny arabe. Efa mahadifotra kodiarana ny rano amin’io lavaka io, hany ka tsy maintsy maka afovoany ireo fiara avy aty atsimo hianavaratra. Eo no manomboka ny fitohanana. Mbola manampy trotraka ny afitsoky ny taksibe amin’ny an-daniny roa satria samy mandalo eo ary manala sy mandray olona eo ny Zotra J, Kofimi, Komafila, 194, 163… Antony iray mahatonga ny amboteiazy eto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra manodidina azy io faharatsian’ny lalana io, fitohanana izay miteraka fatiantoka ho an’ny mpitatitra sy ny mpandeha satria mitombo ny solika lany, mety hisy ny fahasimban’ny fiara. Maro koa no tara fotoana isan’andro ka misy akony ratsy any amin’ny asa aman-draharaha sy ny fianarana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT