Fifamoivoizana

Anosizato – Ampitatafika sy Itaosy Halalahana ny arabe


  • Zoma 18 Janoary 2019

Raikitra ihany ny asa fanitarana sy fanatsarana ny lalana mihazo iny distrikan’Atsimondrano sy lalam-pirenena voalohany (RN1) iny.

 

 

 Ao anatin’ilay tetikasa Lot 4, iarahana amin’ny orinasa  China Railway izy io, asa  manomboka etsy amin’ny tetezan’Anosizato, ilay toerana be fitohanana mihitsy miampita mankany amin’ny tetezana hiditra an’Ampitatafika. Toraka izany koa ny etsy Ampasika  izay tena mampitaraina ny maro tokoa mihazo ny cité des assureurs Itaosy, miampy ny lalana fihodinana boribory etsy Antanimenakely. Mitotaly 11 km sy 750 m izy io raha araka ny fanazavana azo omaly, asa haharitra hatramin’ny  volana aogositra ho avy izao. 38 miliara Ar no vola holaniana amin’izany,  izay hiantohan’ny firenena Sinoa avokoa.Niara-nahita ny rehetra nanomboka omaly alakamisy fa efa noesorina ny “Trottoir” amin’ny lalana manomboka eo amin’ny tetezan’Anosizato mizotra mankany Ampitatafika satria halalahana ny arabe, izany hoe ampitomboina ny sakany.  Na izany aza anefa dia  tsy hisy ny fandrodanana trano, fepetra izay tena notakian’ireo mpamatsy vola  hisorohana ny mety ho fandoavam-bola hafa indray amin’ireo tompon’ny trano na tamboho tsy maintsy arodana.  Andraikitra horaisin’ireo kaominina voakasika toa an’Ampitatafika sy Andranonahoatra, araka izany, ny hanome  tanana amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana mandritra ny asa fanamboarana amin’ny alalan’ireo mpitandro ny filaminana efa manana traikefa amin’izany. Tsiahivina moa fa hasiam-panamboarana ihany koa ireo lalana ratsy raha ovana endrika ihany koa ny lalana hampiasain’ny mpandeha an-tongotra. Nofaranana tamin’ny famonoana omby fomba amam-panao Malagasy  sy  fiaraha-misakafo ny lanonana omaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT