Fifamoivoizana

Anosizato 8 volana no hananganana ilay “Flyover”


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ilay tetikasa flyover na ilay tetezana mitsingevana etsy Anosizato hahafahana miady amin’ny fitohanana.

Efa eo am-pikarakarana ny kipitsony mifandraika amin’izany ny Ministeran’ny asa vaventy, raha araka ny fampanantenana nataon’ny Ministra. Mbola tsy voafaritra tsara kosa anefa ny fotoana hanombohana izany raha haharitra 8 volana ny asa. Raha araka ny fanazavan-dRatsivahiny Andry solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano dia hamaha amin’ny ampahany ny fitohanana eny Atsimondrano ny fahavitan’ity tetezana mitsingevana ity. Ilay vavahady miditra an’Atsimondrano mihitsy mantsy hoy hatrany izy no tokony halalahana ka anisan’izany ny etsy Anosizato. Nomarihiny manokana ihany fa ny tanana mihitsy no mihakely koa raha tiana ny hitady vahaolana maharitra dia tsy misy afa-tsy ny fanaovana tanana vaovao sy ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny toetr’andro tahaka itony. Marihina moa fa hivaha amin’ny ampahany hatrany Ampasika ny fitohanana raha vita tokoa ity flyover etsy Anosizato ity.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT