ANOSISOA AMBOHIMANARINA

Fiara karetsaka niala taksibe, nandona vehivavy iray


  • Zoma 26 Janoary 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana omaly Alakamisy 25 Janoary maraina teny

Anosisoa Ambohimanarina. Fiara karetsaka iray nitondra olona no niala taksibe iray nifanena taminy tampoka. Vokany, nahadona vehivavy iray ilay fiara karetsaka ka ny lohany no tena voamafy tamin’ity farany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Nambaran’ireo mponina eny Ambohimanarina moa fa tena tery iny faritra iny. Matetika noho izany no hitrangana loza tahaka izao eny an-toerana indrindra raha somary maika sy tsy manana fandavan-tena ilay mpamily. Ankizy mirava avy mianatra raha araka ny fantatra no matetika voadonan’ny fiara na moto eny an-toerana. Raha araka ny tatitry ny polisim-pirenena moa dia nahatratra 75 isa ireo olona namoy ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika tamin’iny taona 2023 nivalona iny raha nahatratra 538 kosa ireo naratra mafy.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay Renim-pianakaviana lasibatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT