Fifamoivoizana

Anosipatrana “Digue” Nipotsaka ny lohan’ilay ramatoa


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Vao niantomboka ny volana desambra dia nosantarin’ny ra mandrika sy faty olona ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Loza tsy roa aman-tany no niseho teny Anosipatrana omaly zoma 1 desambra tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka.

Teny amin’ny lalana “Digue” ambanin’ny MBS iny no nisehoan’ny loza. Vehivavy iray mpivarotra sambosa mandehandeha no notetezin’ny fiarabe iray, ka nipotsaka ny atidohany. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso, tsy niampita fa nanaraka ny sisin'ny arabe Digue izy, ka ny lohany no nidona tamin’ny kaontenera ary nivadika nankany ambany, ka nitsahan'ireo kodiarana roa avy eo. Nisy tamin’ireo olona teny an-toerana no nilaza fa nirimorimo mafy io fiara io. Vetivety dia vory ny olona saika hanao fitsaram-bahoaka, saingy tafatsoaka ilay mpamily. Tao ihany koa ireo liana tamin’ny zava-niseho, ka vetivety dia feno olona teo an-toerana. Nambaran’ny nanatri-maso fa nisy olo-manankaja nandalo tamin’io fotoana io, saingy tsy nijanona. Tsy azo noeritreretina fa mbola nisy nahavita naka sy nihinana ireo sambosa sisa tsy lafon’ilay vehivavy maty. Nanoloana ity toe-javatra ity, dia naneho ny tsy fahafaliany ny olona, ka raikitra ny fanakanan-dalana sy ny fandorana kodiarana.

Loza 4 samy hafa tao anatin’ny iray andro

Ankoatra iny teny Anosipatrana iny, dia ankizikely vao 6 taona ihany koa no voahitsaka sy voadoana mafy ary maty teo no ho eo omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora teny Ankazomanga. Fiara nentina teratany sinoa izy io, ka nitsoaka avy hatrany saingy tratra ihany. Teny Alakamisy Fenoarivo kosa ny maraina, dia fiara iray nandeha mafy, ary niala fiara taksibe nanala olona no nidona tamin’ny andrin-jiro, izay niongana mihitsy. Ilay fiara kosa nivadibadika ambony ambany. Olona 3 saika handeha hamonjy lanonana ara-panatanjahantena no tao anatiny, izay samy naratra mafy avokoa. Ary farany, dia fiarakaretsaka marika R11 nandeha tamin’ny lalan’ny Frankofonia no nivadika noho ny fandehanana mafy, saingy tsy nisy aloha ny aina nafoy. Ao anatin’ny fotoana mampitohana ny fifamoivoizana isika izao, saingy mbola miseho hatrany ny loza, izay matetika ateraky ny fandehanana mafy. Efa leon’ny fitohanana ve ny mpamily sasany, ka vao mahita malalaka kely dia faly ny handeha mafy ? Olana tsy mety voavaha eto amintsika ihany koa ny lalàn’ny fifamoivoizana sy fanajana azy ka tandindonin-doza hatrany ny fiara, indrindra fa ny mpandeha an-tongotra. Tsy mety mipetraka intsony ny hoe ny arabe ho an’ny fiara, ny “trottoir” ho an’ny mpandeha an-tongotra … fa dia samy manao izay saim-patany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT