Fifamoivoizana

ANOSIBE Zazalahy kely niampita arabe maty voadonan’ny fiara 4x4


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Zazalahy kely iray manodidina ny 12 taona no maty omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1 ora teny Anosibe, Boriborintany fahefatra rehefa niampita arabe.

 

 

 Avy any an-kavia ity zaza ity no niampita niankavanana, an-kevitry ny handeha hividy zavatra raha ny tombana. Notsenan’ilay fiara 4x4  izy ka niankarapoka  raha araka fanazavan’ireo nanatri-maso.Tany amin’ny lohany no tena voa mafy.  Niboiboika nihazo ny lamosiny hatrany amin’ny tongony ny ra, antony tsy nahatazonana ny ainy intsony. Efa nisy ihany ny ezaka nataon’ireo nanatri-maso tamin’ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly saingy lavo ihany ilay tsy manan-tsiny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy eto an-drenivohitra ny tompon’ilay fiara fa any amin’ny faritany. Notazonin’ny polisy ao Tsaralalana vonjimaika ilay mpamily ary efa mandeha ny fanadihadiana ny amin’ny hanolorana azy ny fitsarana. Tsiahivina fa mbola nahitana ireny sarina sainam-pirenena miloko fotsy,mena maitso ireny teo amin’ny tarehin’ity zazalahy kely namoy ny ainy ity.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT