Fifamoivoizana

Anosibe-Anosizato Sasatry ny mandona olona ny moto sy ny bisikileta


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Efa ho 12 volana izao no tsy nirehitra intsony ny jiro amin’ny sisin-dalana eny amin’iny faritra Anosibe sy Anosizato iny raha araka ny fanadihadiana natao.

Eo an-danin’izay anefa dia tsy mitsaha-mitombo ireo moto sy bisikileta miasa mitatitra olona eny an-toerana. Manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva no hisian’izany hatramin’ny 09 ora alina any ho any, mitaona ireo olona tara fodiana tsy mahita taxibe. Raha araka ny fitarainan’ny mponina hatrany dia saika tsy misy jiro avokoa ireny bisikileta sy moto ireny ka sasatry ny mandona olona. Mitsaoka izy ireo aorian’izany. Ho an’ireo tratra moa raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray dia mbola manao vava indray toy ny hoe : ny olombelona no tokony hasiana jiro….Miantso ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny misahana ny fifamoivoizana araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ity tranga misy ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT