Fifamoivoizana

Ankorondrano Ramatoa iray no tapa-tongotra voadonan’ny moto


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Ramatoa iray no tapa-tongotra rehefa voadonan'ny moto teo amin'ny toerana fiampitan'ny mpandeha an-tongotra teny anoloan'ny Galana Ankorondrano omaly tokony ho tamin'ny 4 ora latsaka fahatelony tolakandro,

hoy ny fampitam-baovao voaray. Nipitika teny am-pitan'ny arabe tokony hiampitany izy. Tena mafy ny dona matoa nahatapaka tongotra, hita ihany koa fa nisy fahasimbana hatramin’ilay moto. Nifanampy nibata nampiditra azy tao anaty fiarakaretsaka na “taxi” iray sendra nandalo ireo mpandalo sy ireo nanatri-maso nahatsapa tena. Indrisy anefa fa tsy nety velona ilay “taxi” ka raikitra indray ny fanakanana “taxi” hafa niaraka tamin'ireo polisy tonga teny an-toerana. Nanome tanana tamin'ny fibatana ilay niharam-boina koa ny mpanao gazety, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy amin’ireo namana nanatri-maso teny an-toerana. Efa tonga tany amin’ny hopitaly ary nahazo ireo fitsaboana maika tsy maintsy atao amin’ny olona tra-doza tahaka izao ilay ramatoa raha ny vaovao farany omaly hariva.
J. Mirija
Sary: Rivo Ramamonjisoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT