Fifamoivoizana

Ankazondandy Misy lalana simba atahorana hampidi-doza


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Lalam-pirenena faha 3, eo amin’ny manodidina ny PK45, anatin’ny kaominin’Ankazondandy,

 

 

 

 

 miha simba ary hatahorana hampidi-doza ny lalana. Mbola manohy manao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-pahefana hatrany ireo mponina ao an-toerana ny amin’ny tokony hanamboarana faran’izay haingana ity lalana izay hita ho misy lavaka be ahiana hiitatra ity. Mamerina Mampahafantatra aho, hoy ny kandida ho ben’ny tanana tao an-toerana, Aldini Ralamboseheno, no sady manao fangatahana aminareo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny ministeran'ny asa vaventy mba hanamboatra ity lalana ity. Ny sanatria ho fiitaran’ny fahasimbana, indrindra, ao anatin’ny fihavian’ny orana no tena mampanahy ny maro, raha ireo fanehoan-kevitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT