ANKAZOMIRIOTRA

Taksibrosy namono mpandeha an-tongotra iray


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tany Ankazomiriotra afak’omaly

Sabotsy 25 Janoary tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Fiara fitateram-bahoaka iray mampitohy an'Antsirabe sy Mandoto no namoa-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-34, PK 66 + 100 Bemasoandro Fokontany Ankazomiriotra II, kaominina ambanivohitra Ankazomiriotra Distrikan’i Mandoto.Vokatry ny olana ara-mekanika dia nivoaka ny arabe vita tara ny fiara ka nandona mpandeha tongotra iray ary tafajanona teo amin'ny sisin-dalana ankavia. Namoy ny ainy vokatr’izany io mpandeha an-tongotra iray izay fantatra fa lehilahy iray vao 57 taona. Tapaka ny tongony, ny lamosiny ary ny vozony. Notanana natao famotorana ny mpamily ilay fiara ary hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity, hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Teto ilay toerana nitrangan’ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT