Fifamoivoizana

Ankatoky ny fety Feno fitohanana avokoa izay toerana aleha


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Tsy misy toerana izay tsy ahitana fitohanana intsony amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Anisan’ny tena mampitaraina ny maro ho an’ny eto afovoan-tanàna ny miditra etsy Analakely sy Anosibe. Mahalany ora iray eo ho eo raha kely ny taxibe iray vao tafiditra amin’ireo toerana ireo ankoatra ny fotoana lany miainga any am-potony. Ho an’ny taxibe avy any Itaosy manokana dia eo Andranonahoatra dia efa mikatso ny fifamoivoizana. Mitohy eny amin’ny dalle sy Ambonisoa izany ary tsy misavakely raha tsy efa tafavoakan’Ampasika. Mahalany ora roa ny mpandeha iray eny ambony taxibe hanalana ireo lalana ireo raha vantany vao taran’ny amin’ny 06 ora maraina mivoaka ny trano. Toraka izany koa ny avy any Fenoarivo. Mangidy ny rora vao tafavoaka etsy amin’ny tetezan’Anosizato raha mbola olanabe ihany koa ny fivoahan’Anosibe. Tsy vitsy ireo lasa misafidy ny handeha dia an-tongotra vokatr’izany. Ankoatra ny fivoahana ny tanana moa dia mbola fitohanana lavareny tahaka izany ihany koa ny miandry rehefa hiverina hody, indrindra raha vao taran’ny amin’ny 04 ora hariva.

Pati Legende : Lany eny ambony taxibe ny fotoana vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy sy eroa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT