Fifamoivoizana

Ankaramalaza Kanoty iray tafahitsoka ampovoan-drano


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Kanoty na “canoë” iray avy any Ankaramalaza no tafahitsoka tam-povoan-drano omaly nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro,

raha ny fampitam-baovao voarain’ny isan’ireo mpiray dia tao anatin’izany, dia ny mpanakanto Pa’Hery. Hatramin’ny 9 ora alina teo, ora nanoratan’ity mpanakanto ity ny zava-misy niainan’izy ireo iny omaly iny, no nilazany fa tsy nisy vahaolana hita mihitsy. Miha mangatsiaka nefa ny andro. Mitombo ny fitaintainan’ireo mpandeha. Tsy misy ny sakafo kanefa dia misy zaza amam-behivavy ao anatin’ilay sambo kely. In-3 nanosika, hoy hatrany ny fampitam-baovao, saingy ny niafarany dia tafahitsoka tanaty vato, ny andro miha maizina ka dia manaitra ireo tomponandraikitra sy malala-tanana afaka hamonjy. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy nisy fanampim-baovao heno aloha mikasika ity toe-draharaha ity fa dia andrasana hatramin’izao izany ny fivoarany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT