Fifamoivoizana

Ankadindramamy Nifatratra tany amin’ny mpivaro-kena ilay taksibe


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Taksibe 144 iray no nifatratra tany amin’ny mpivaro-kena tao Vatosoa Ankadindramamy,

 

 

 ny faran’ny herinandro teo. Nipetraka tamin’ny sisin-dalana ity fiara mpitatitra ity no nisosa tampoka raha araka ny vaovao azo. Tsy nasian’ny saofera kaly “vitesse” sy “frein à main” mantsy ilay fiara fa vato fotsiny no nanakaliana ireo kodiarana ka tsy nahatohitra izany. Taorian’ny nanokafan’ilay mpamily ny varavarana afovoany ary nanakatona izany no nibolisatra ilay fiara ary tsy nijanona raha tsy nisy trano nanohana azy. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy saingy ilay fiara sy trano no simba.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT