Fifamoivoizana

Ankadindramamy, Antsirabe ,Ivato Nihosin-drà ny faran’ny herinandro


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Nihosin-drà ny faran’ny herinandro teo vokatry ny fisiana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, izay namoizana an’olona.

 

 

Ny sabotsy teo dia nisy ilay loza mahatsiravina nahafaty tovolahy mpilalao horonan-tsary vokatry ny loza nateraky ny moto teny Ankadindramamy. Voalaza fa namoy ny ainy ihany koa ny tovovavy iray niaraka tra-doza taminy. Omaly alahady ihany koa dia moto iray no voadonan’ny taksiben’Ivato nifanenjika omaly teny Imerinafovoany mihazo an’Ivato, ka vehivavy iray no maty tsy tra-drano. Tany Mandaniresaka Antsirabe ihany koa dia lehilahy iray no voahitsaky ny kamio, ka niparitaka sy nizarazara teo afovoan’Arabe. Voalaza fa nitsoaka ilay fiara, ka tany Vinaninkarena vao tratra, raha ny vaovao vonjimaika. Tena nisesy ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro, izay tsy nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny fetin’ny maty omaly 01 novambra. Ilay ny mitandrina hatrany satria ny patsa iray tsy omby vava, hoy ny fitenena.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT