Fifamoivoizana

Ankadilalana Tsy misy mpijery ilay lalana potika


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Vao niandoha ny fihibohana no nilazana, fa hisy ny fanamboarana sy fikojakojana ny làlana. Nambara fa hamboarina ireo lavadavaka. Tsy izay no miseho eto Antananarivo fa mbola ny omaly tsy niova,

kanefa ny favaratra tonga ihany. Tao anatin’ny fanjakana teo aloha no nisy ny fanamboarana sy fikojakojana hita taratra izay 58 km teo ny fitambaran’ny làlana namboarina, ka isan’ireny iny mihazo an’iny Anosy mihazo an’i Sonierana sy Akadimbahoaka iny, ny làlan’i Besarety,… Ankehitriny, maro ny làlana tena mbola mampiteny ny moana, toy ny eny Ankadilalana, potika tsy misy mpijery, kanefa lalovana manam-pahefana ambony samihafa. Ampahany ihany io, fa maro no mila fanamboarana. Ny 01 septambra teo, dia nilaza ny Ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina. Na dia ao anaty fahasahiranana ary isika tamin’ny fiatrehana ny valan’aretina coronavirus, dia tsy maintsy mandeha ihany koa ireo fotodrafitrasa sy asan’Kaominina andavanandro ho an’ny mahasoa ny mponina, hoy izy. Ireto avy ireo lalana hamboarin’ny Kaominina Antananarivo ho ezahina vitaina amin’ity taona ity:1) Lalana Jean Ralaimongo, Tunnel Ambohidahy – Ambohijatovo Arrêt 182 – Kianja Tolom-piavotana; 2) Lalana FLM 67ha – Mosquée 67ha – Lalana Vatobe (Andohatapenaka) – Lalana Perre Rajaonah – Ny Havana – Lalana Hotel Voninkazo Poste 67 ha; 3) 67ha Avaratra Atsinana – Fiangonana Jesosy Mamonjy – Lalana Rainikibory Pont VASSACOS; 4) Boulevard de l’Europe Namontana; 5) Lalana Nanisana mampifandray an’Ampasampito – Analamahitsy; 6) Lalana Rajaofera Antaninandro – Ambondrona; 7) Lalana Rabezavana Ambodifilao; Lalana Andraisoro; 9) Lalana Jean Ramanandraibe Antohomadinika -Behoririka. 3,696 km no fitambarany, raha ny voalazan’ny Ben’ny tanàna. Andrasana ny vokatra

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT