ANKADILALANA AMPITATAFIKA

Potika tanteraka ny làlana, tsy misy mpijery…


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Potika tanteraka ny lalana etsy Ankadilalana Ampitatafika raha avy any Vinany,

samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Mikorontana tsy misy fantatra intsony ireo rarivato nandrafitra ny lalana hatramin’izay. Hiandronan’ny rano ihany koa ny arabe ka ahiana handratra ireo ankizy mpianatra sy ireo efa zokiolona. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia efa amam-bolana maro no simba io lalana io nefa tsy misy mpijery. An-jatony isan’andro anefa ireo mampiasa azy ka anisan’ireny ny mponin’Itaosy miala fitohanana eny Antanimenakely isan’andro raha avy any amin’ny lalam-pirenena voalohany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra. Lalana mampifandray ny kaominina roa mantsy izy ity dia Ampitatafika sy Ambavahaditokana. Tsiahivina fa na dia ireo fiara tsy mataho-dalana toy ny 4x4 aza efa sahirana amin’izao mampiasa ity lalana ity. Ireo fiara madinika miazo an’Andranonahoatra Itaosy moa dia efa tsy misy mandalo eny an-toerana intsony fa tsy afaka.
Pati
Legende : Na ny olona aza sahirana amin’ny fampiasana ity lalana ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT