Fifamoivoizana

Anjanahary Nitsoraka tany anaty hantsana ilay fiara


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Fiara Renault express iray miloko mena no latsaka tany anaty hantsana teo Anjanahary omaly atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any.

Potika tanteraka ny fitaratr’ilay fiara teo aloha sy ilay voninkazo nanodidina ilay trano, toerana izay nianjerany. Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza anefa dia mbola nisy olona nanao raharaha teo amin’ilay trano manakaiky ilay hantsana izay marihina fa misy trano miorina tsara saingy nanam-bintana ka tsy nisy voakasika ny ainy sy ny fananany. Raha araka ny fantatra moa dia mbola nosokirina ilay mpamily hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay, asa notanterahin’ny mpamonjy voina teny an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT