Fifamoivoizana

Andron’ny fety Somary nanahirana ny fitateram-bahoaka


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Na dia azo nambara aza hoe nilamina sy nalalaka ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy nanomboka ny 31 desambra 2018, dia henjakenjana ihany ny filaharana taksibe tamina toerana maro.

 

 

 

Efa tena maro ireo mpandeha niandry 15 minitra hatramin’ny adin’ny iray, satria vitsy ireo fiara fitateram-bahoaka niasa tamina toerana maro.Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa maro tamin’izy ireo no nanao “Special” nitondra fianakaviana na fikambanana nitsangatsangana.Nisy ihany koa ireo tsy niasa tsotra izao satria mba nanararaotra ny andro fety nialana sasatra.Na dia misy fiantraikany amin’ny vola miditra am-paosy aza ilay tsy miasa tapa-kandro na iray andro dia mba nihafiana kely satria io no mba fotoana nahafahana nihaona tamin’ny fianakaina ao anatin’ny herintaona, hoy ny mpamily sy resevera nanontaniana.Anio alarobia 2 janoary kosa dia efa hiverina amin’ny laonina tahaka ny mahazatra ny asa.Fotoana koa anefa izao hanamafisana ny fifampifehezana sy ny fanaraha-maso satria maro ihany ny fitarainana voaray avy amin’ireo mpanjifa noho ny fitiavan-tenan’ireo taksibe izay tsy mahalala afa-tsy ny “versement” sy izay sombiny kely azo handidiana entina mody; vaovao ny taona, afaka mba atao vaovao sy hatsaraina ihany koa angamba ny fomba fiasa sy ny fifampitondrana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT