Fifamoivoizana

Andrefanambohijanahary Nitsoaka ilay fiara 4x4 nandona olona


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Fiara 4x4 iray nandeha nirimorimo mafy no fantatra fa nandona lehilahy iray afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 09 ora alina teny Andrefanambohijanahary.

 Avy hatrany dia nitsin’ny mpamilin’io fiara io ity lehilahy ity raha ny fantatra ka izy efa nitsirara tamin’ny tany tsy nahatsiaro tena no hitan’ny olona teny amin’ny manodidina. Vokany, tena voa mafy tokoa ity lehilahy ity. Olona mipetraka eny amin’ny manodidina ihany koa ny lehilahy ka tsy nanano sarotra ny fokonolona ny niantso ireo fianakaviany. Mbola tsy hita ity fiara tsy mataho-dalana ity sy ilay mpamily azy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa zazalahy kely niampita ny arabe no nofaohana 4x4 ihany koa omaly hariva teny Antanimenakely hiazo an’Avarabohitra Itaosy. Tapaka avy hatrany ny tongotr’ity zazalahy kely iray ity izay nijininika ra mihitsy ka voatery nentina namonjy hopitaly haingana. Tsiahivina moa fa nentina tamina fiara izay nandalo teny an-toerana ity tovolahy kely iray ity nanavotana ny ainy. Tokony hitandrina hatrany ny Ray aman-dReny manoloana izany, indrindra fa ireo manan-janaka madinika manoloana ireo lalan-tery sy mikodana toy iny eny Antanimenakely iny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT