Fifamoivoizana

Andravoahangy tsena Haharitra 20 andro ny fanamboarana ireo lalan-dratsy


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Napetraka omaly ny vato fehizoro fanohizana ny fanamboarana ny lalana miditra eo Ambodivona, Andravoahangy tsena,

 

 Faritra faharoa, manoloana ny fivarotana voamaina, nitarika izany ny  delegen'ny Boriborintany fahatelo, Rado Andriamamonjisoa  sy ny filohan'ny fokonolona, Germain Ranaivoarison ary ny  mponina rehetra teny an-toerana. Ny anton’ny fanatsarana dia noho ny fanentanana nataon'ny Boriborintany fahatelo tamin'ny mponina teny an-toerana noho ny fahitana fa tena simba tanteraka ny lalana miditra mankany. Tsapan'ny mponina fa tena sahirana ry zareo amin'ny fidirana eo amin'ny lalana  satria tena simba tanteraka. Tsy azon'ny fiara idirana ary tena dibo-drano  rehefa fahavaratra. Tsy nikely soroka ny mponina manodidina teny an-toerana  nanome tanana tamin'ny fanamborana ny lalana, izay hatao rarivato, raha ny fanazavana. Mirefy 50 metatra eo ny halavany ary 5 metatra ny sakan’ny lalana hamboarina ary haharitra 20 andro eo ny faharetan'ny asa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT