Fifamoivoizana

Andranovelona-Ankazobe RN 4 Miitatra hatrany ny fahasimban’ny lalana


  • Alarobia 25 Mey 2022

Miitatra hatrany ny fahavoazan’ny lalam-pirenena fahaefatra. Manomboka etsy Andranovelona dia efa feno lavadavaka ny arabe ka hatrany Ankazobe.

Ny ankamaroany dia saika eny afovoan-dalana avokoa no sady mamoaka vovoka menamena. Raha araka ny fanazavan’ny mponina dia anisan’ny antony mampahazo vahana ny sakadan-dalana hataon’ireo mpanao ratsy any amin’iny faritra iny izao haratsian-dalana any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra izao. Saika mandeha mora sy mitandrina avokoa mantsy ireo mpamily taxi brousse mandritra izany, hitandrovany ny fiara tsy ho potika. Mandritra izany indrindra no hanararaotan’ireo mpanao ratsy ny asa ratsiny ka ankoatra ireo mpandeha voaroba dia efa nisy ihany koa ireo mpamily voaambana tamin’ny zava-maranitra. Tsy amin’ny andro alina ihany no hitrangan’izany hoy hatrany ireo mponina eny an-toerana fa amin’ny andro atoandro ihany koa. Tsy mbola mahamaika ny teleferika araka izany hoy ny mponina. Ny fanamboarana ireo lalan-dratsy rehetra mivoaka ny faritra no tokony hatao hoy izy ireo hanampiana ireo olona manao asa fihariana any amin’ny sisiny. Toraka izany koa hoy izy ny eto an-drenivohitra izay efa tena maro ihany koa ireo lalana fampiasan’ny fiarakodia amin’ny andavanandro no tena ratsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT