Fifamoivoizana

Andranonahoatra Naverina namboarina ilay arabe “bonbon voanjo”


  • Talata 18 Janoary 2022

Tsy azo handehanana indray ny lalana avy eo an-tampon’Itaosy midina eo Andranonahoatra efa ho andro maromaro izao.

 Nokaohina iray manontolo indray ilay lalana efa vita tara vao avy namboarina iray manontolo, ny volana novambra 2021 ary averina hamboarina. Raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny haratsian’ny kalitaon’ity lalana ity no antony namerenana azy hamboarina indray mba hahazaka rano tsara sy hahatanty ireo vesatr’ireo fiara vaventy izay maro mpivezivezy eny amin’iny faritra iny. Tsiahivina moa fa efa nanatsikafona ny haratsian’ny kalitaon’ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Andranonahoatra sy Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara saingy tsy nisy nihaino. Ankehitriny anefa mipoitra ihany ny marina ary tsapan’ireo tompon’andraikitra ny fahamarinan’ny teniny. Ekena fa mahafinaritra ny manao zavatra, indrindra fa ny foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka tahaka ireny saingy tokony hatao manara-penitra kosa rehefa hatao. Malaza amin’ny fampanaraham-penitra rahateo ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ka tsy tokony hatao resabe fotsiny ihany izany. Nampitolagaga ny olona teny Andranonahoatra sy ny manodidina ny fahitana ireo fiara be sy fitaovana maro samihafa ny volana novambra sy desambra lasa teo fa diia tena hoe hanao zavatra ireto.Inona akory ny teo fa hay arabe bonbon voanjo araka ny fomba fiteny no vita ; tsy vita ny fisehosehoana sy ny werawera tokoa ny asa fampandrosoana fa mila fahamatorana.
Pati
Legende : Notrongisina tahaka izao ny lalana eny Andranonahoatra miazo ny tampon’Itaosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT