Fifamoivoizana

Andranonahoatra Efa tsy fanao ianao intsony lalana


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Fahasimban’ny fiara, fitohanan’ny fifamoivoizana, fahatarana, loza…ireo no ateraky ny fahasimban’ny lalana, tahaka ny hita eny Andranonahoatra – Itaosy.Nivadika ho lavaka ny lalana eo amin’ny “4 chemins”

sampanan’i Vinany no hahafantaran’ny maro azy, ary mitoraka miankandrefana mankany Itaosy Hopitaly; misy fahasimbana maromaro ihany koa ny midina hatreny amin’ny toby fivarotan-tsolina Galana Andranonahoatra.Tsara ho marihana fa nisy fotoana efa namboarina io lalana io, ka ny kaominina Ambavahaditokana no niandraikitra azy tamin’izany fotoana; 3 taona lasa teo izay.Tsy nisy intsony kosa ny fikojakojana taorian’izay ka niatomboka tamina lavaka bitika ny fahasimbana dia izao efa lasa lavaka be maromaro izao.Tamin’ny fotoam-pahavaratra ny volana desambra 2020 no efa nitaraina sy nanaitra ny amin’io fahasimban’ny lalana io ny mponina teny amin’ny manodidina saingy hifarana ihany ity ny taona 2021 fa tsy mbola nisy na dia indray mandeha monja aza ny fanamboarana ny lalana.Ireo olona mitady vola no miezaka manototra ny lavaka amin’ny tany sy ny potika biriky, izay tsy mety ihany koa anefa fa resaka vahaolana vonjy tavanandro sy mba paikady fitadiavam-bola ihany.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT