Fifamoivoizana

Andranomena Nivadika ambony-ambany ilay taxi


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Fiara karetsaka iray nitondra vazaha no nivadika teny amin’ny fiakarana misy Polisy eo Andranomena miazo an’Ambohibao omaly maraina .

 Avy aty Andromena toy ny ho any Ivato ity fiara karetsaka ity raha araka ny fantatra. Ny hany tsinjon’ireo nanatri-maso dia toa nirimorimo be toy ny tapaka hisatra no fahitana azy ka tsy voatazon’ilay mpamily intsony. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy fa ilay fiara no simba tanteraka.Niara nisalahy tamin’ny vahoaka namoaka ireo olona tao anatin'ity fiara karetsaka ity moa ary naira-nanosika ilay fiara niarandoza mba hiarina mba hiarina ireo polisy niasa teny amin’iny faritra iny. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony mahatonga ny 10%-n’ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao ny olana ara-teknika misy eo amin’ilay fiara. Tsy tokony ho goragora mihitsy araka izany ny eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia fa hanara-maso izany akaiky hisorohana ny loza tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara karetsaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT