Fifamoivoizana

Andranomanelatra RN7 Mpitondra bisikilety maty nofaohin'ny kamiao


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo avaratr'Andranomanelatra amin’ny lalam-pirenena faha-7, fidinana hiditra ny tananan'Andranotsara,

Fokontany Tsaramandroso-Gara ny alarobia 18 mey 2022, tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro. Fiarabe mpitatitra entana nidina no nifanena tamina fiara 4x4 iray hiakatra hihazo an'Antsirabe. Raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia toa nivilavila ilay fiarabe nidina ny fidinana ka niala izany ilay fiara tsy mataho-dalana, saingy nisy lehilahy iray nitondra biskileta teo ankavanan'ilay fiara tsy mataho-dalana no sady nahafaoka ilay nitondra biskileta ka dia nifatratra tao anaty tatatra ilay biskileta ary notsindrian'ilay fiarabe tao ilay nitondra azy. Voadoana ary naratra mafy ilay lehilahy nitondra biskileta, tokony ho 30 taona mahery teo ary nifamonjena saingy nohon'ny fahaverezan-drà sy dona nahazo azy dia tsy tana ny ainy rehefa tonga tao amin'ny hopitaly Andranomanelatra. Nitsoaka ny mpamilin'ilay fiarabe nohon'ny tahotra fitsaram-bahoaka foana satria vetivety dia vory ny olona. Tonga kosa ny mpitandro filaminana nandrindra ny fifamoivoizana vonjimaika satria voabahana ny arabe.
Jean D.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT