Fifamoivoizana

Andrakaka sy Cap Diego Handroso noho ny ZES, hoy i Freddy Mahazoasy


  • Talata 13 Febroary 2018

Hisy ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ity ZES ao amin`ny faritra DIANA sy SAVA ny 20 ka hatramin`ny 23 febroary eto Antananarivo ary ny 24 sy ny 25 febroary any Antsiranana.

 

 Hanasana ireo mpamatsy sy mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany. Hofaritana sy hodinihana mandritra ny fivoriana eto Antananarivo ny asa sy ireo sehatrasa izay mety hiforona ao anatin`ity tetikasa ary any Antsiranana kosa ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana ny ZES (Zones économiques spéciales) na faritra ara-toekarena manokana. Hiteraka fampandrosoana goavana ho an`ny faritra Avaratry ny nosy ary maro ny fotodrafitrasa fototra hatao ka hiteraka sehatr`asa ho an`ny indostria izany, hoy Atoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI. Sehatra hatao laharam-pahamehana ao Andrakaka sy Cap Diego ny lalam-pihariana toy ny fambolena, ny fiompiana, ny fanodinana herinaratra amin`ny alalan`ny angovo azo havaozina. Hotrandrahana ihany koa ny fizahantany satria hisy ny fametrahana  seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Na mbola marefo aza ny fametrahana ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara dia hiroso hatrany ny fitondrana hanatanterahana azy.


Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT