Fifamoivoizana

Andonaka RN7 Zaza 10 taona maty voahitsaky ny kamiao


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Sarety tarihin’omby nitondra lehilahy iray sy ny zanany lahy, 10 taona, no nohosen’ny kamiao iray tao anaty tetezana tao Mahasoa Nord, Kaominina Andonaka,

 

 

 

 Distrika Ambalavao ny marainan’ny sabotsy 3 oktobra 2020 teo. Ratsy hisatra ilay kamiao, ka tsy tafajanona raha tsy nandona ilay sarety. Nipitika tany anaty rano ilay sarety avy eo. Lavo ary voahosin’ny kodiarana aorian’ilay kamiao teo amin’ny lohany kosa ilay zazalahy 10 taona, ary maty tsy tra-drano teo noho eo. Naratra mafy kosa ny rainy. Tery tao ambany kamiao ihany koa ny omby iray, ary maty. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary, nifarimbonan’ny avy amin’ny kaompania sy ny Brigady Ambalavao ary ny Poste Avancé Andonaka, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT