Fifamoivoizana

Andohatapenaka “Gare routière” fa tsy tsena


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Aoka hazava ny resaka, hoy ny filohan’ny ASTRAM Rakotondrafara Fredinard, manoloana ny fitakiana ataon’ireo fikambanan’ny mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana sy ny mpanera, izay milaza fa ho very fihinanana raha hifindra eny Andohatapenaka ny toby fiantsonan’ireo taksibrosy.

 

 Notsindriany fa ny antsoina hoe tobim-piantsonana dia toerana fijanonan’ny fiarakodia fa tsy tsena. Ny tsena eny Anosibe sy Andravoahangy dia tsy misy tobim-piantsonana ao anatiny. Ny lalàna mihitsy  no mametra fa tsy azo hanaovana tsena ao anatin’ny tobim-piantsonana. Koa raha misy ny toerana tsy maintsy hanaovana izany mba hamaliana ny filàn’ny vahoaka dia natao ho an’ny mpitatitra irery. Mila zavatra ara-dalàna ihany koa izahay mpitatitra. Anisany ny sakafo hatolotra mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpandeha sy ny mpamily. Ho an’ny eny Andohatapenaka manokana dia nomarihiny fa tsy hisy toeram-pivarotana eny satria izay gaboraraka izay ihany no efa tsy nahalavorary ny teny amin’ny Fasan’ny Karana. Ho an’Ambohimanambola indray dia notsindriany fa misy tsena ihany eny an-toerana fa kely saingy hisy mason-tsivana apetraka koa  ho an’izay handray an-tanana azy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT