Fifamoivoizana

Andohatapenaka Ahiana hikorontana anio


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Na dia teo aza ny hetsika fanoherana ny fifindran’ny Taksibrosy nataon’ireo mpivarotra teny amin’ny fasan’ny Karana, dia nanamafy halina ny tale jeneralin’ny ATT ny kolonely Andry Rakotondrazaka fa tsy maintsy atomboka anio alarobia ny fifindran’ireo mpitatitra miasa amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) izay ahitana koperativa 14.

Efa ela no niomanana sy nandaminana, hoy izy ka aroso amin’izay ny fifindrana, tsy misy adihevitra be, tsy atao ao anatin’nny rotoroto koa anefa fa efa misy fandaminana napetraka. Nanamafy an’io ihany koa ny vondron’ny mpitatitra ho an’ny RN1 fa dia mifindra eny Andohatapenaka avokoa ny taksibrosy mihazo ny faritr’Itasy sy Bongolava, izany hoe Arivonimamo, Miarinarivo ary Tsiroanomandidy manomboka anio. Tazana teny amin’ny toby fiantsonana vaovao eny Andohatapenaka niaraka tamin’ny tale jeneraliny ATT sy ireo mpiara-miasa aminy omaly hariva nandritra ny fandaminana faramparany ny filohan’ny  ASTRAM Rakotondrafara Fredinard, izay tsy dia be resaka aloha. Omaly tolakandro anefa mbola nisy vondrona mpitatitra nilaza fa amin’ny fiandohan’ny volana martsa vao hifindra eny Andohatapenaka izy ireo rehefa vita ny lamina rehetra. Tsy ho tratranay ny fifindrana maika ny alarobia satria tampoka ary mety hanahirana ireo mpandeha izay efa zatra mankeny amin’ny fasan’ny Karana. Tsy vitsy, araka izany, ireo manahy korontana sy savorovoro faobe na eny amin’ny Fasan’ny Karana izay mety handefasana Emmoreg hanery ireo mpitatitra hiala, na eny amin’ny toby fiantsonana vaovao eny Andohatapenaka satria mety hirohotra eny ihany koa ireo mpivarotra manodidina ny 1100 milaza fa very asa rehefa hofoanana ny toby fiantsonana Fasan’ny Karana. Ireto mpivarotra ireto no nihetsika sy nandoro kodiarana teny amin’ny Fasan’ny Karana omaly ho fanoherana ity fifindrana eny Andohatapenaka ity.


RTT sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT