Fifamoivoizana

Andoharanofotsy Maty voahitsaky ny fiara ilay zaza nilalao amoron-dalana


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Rehefa ho tonga tokoa ny loza dia tonga. Ankizy nisangisangy teny an-tsisin’arabe no voahitsaky ny fiara 4x4 iray teny Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo.

 

 

Voahitsaky ny kodiarana ny tapany ambony tamin’ilay zazakely vao 4 taona monja tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany ny sabotsy tolakandro teo. Tsy nandeha mafy akory ilay fiara raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso saingy ampy nahafaty ilay zaza kosa anefa ny dona sy hitsaka nahazo azy. Nentina avy hatrany teny amin’ny CSB II Andoharanofotsy moa ilay zaza saingy nanamafy ny mpitsabo tao fa efa tsy misy aina intsony izy raha tonga teny. Ny kibony sy ny lamosiny no tena voa mafy, hoy ny mpitsabo. Nilalao niaraka tamin’ny namany i Heriniaina Navalona, tsy teo kosa ny reniny fa mbola niasa. Fantatra fa tsy manan-kialofana ny fianakavian’ity zaza ity fa mipetraka sy matory eny amoron-dalana, izany hoe tena fianakaviana sahirana. Nilaza moa ny havan’ireo tompon’ilay fiara nandona fa vonona ny handray an-tanana ny lany rehetra amin’ny fikarakarana ny razana ary mbola vonona hifampiraharaha amn’ny fianakaviana ihany koa ny amin’izay tokony hatao aorian’izay. Natao famotorana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena moa ireo tompon’ny fiara. Tena mila mailo sy malina ny ray aman-dreny amin’ireo ankizy mety zatra milalao na misangy eny an-dalambe fa ny loza tsy mampandre mialoha.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT