Fifamoivoizana

Andoharanofotsy Hametrahana pôlisy kaominaly amin’izay


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny faritra iadidiany amin’izao fotoana izao ny kaominina Andoharanofotsy, tarihin’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina.

Taorian’ny fandaminana rehetra natao dia fantatra fa hapetraka eo anivon’ity kaominina ity amin’izay ny pôlisy kaominaly taorian’ny  fangatahana fankatoavana avy  tamin’ny filan-kevitra kaominaly. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity dia nanaraka  tsara ny lalàna  rehetra tokony hatao amin’ny fametrahana izany pôlisy kaominaly izany ny kaominina. Ohatra noraisiny ny hoe : tsy ny kaominina no nandray sy nifantina ireo olona ireo fa ny tompon’andraikitra misahana izany. Ny FIP eny Antanimora ihany koa no manome fiofanana azy ireo hotronin’ireo zandarimaria sy pôlisy ao amin’ity kaominina iray ity. Ny 24 Aogositra ho avy izao izy ireo no havoaka amim-pomba ôfisialy, hotronin’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa miandry ny pôlisy kaominaly ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fandaminana ny faritra hiasany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT