Fifamoivoizana

Andohan’Analakely Misimisy hohanina ihany ilay fandaminana vaovao


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Omaly alahady 22 mey no natomboka ny andrana voalohany momba ny fiovana amin’ny fifamoivoizana etsy Andohan’Analakely.

Hita ho somary nitohana ihany aloha, ary mbola maro ireo mpitondra fiaara nikaviavia, alahady moa omaly fa asa izay hitranga manomboka anio alatsinainy rehefa mifanesika ny fiaran’olon-tsotra sy ny Taxi be satria sady miasa no mianatra ny olona.

Ity ilay Rond Point voavao eo amin’ny BNI Analakely
IREO FIOVANA
Eo ampitan’ny BNI Analakely manakaiky ny Super Music no novolena ilay Rond point. Ny fiara avy any Faravohitra sy Ambondrona dia midina an’i Mandrosoa Ambohijatovo, mandray an'ilay lalana RM1, dia maka an'ilay rond-point vaovao , dia miverina miakatra indray maka an'ilay pavé Ritz/Rex raha te-ho any Antaninarenina, izany hoe aty amin’ny “Chambre des commerce”. Ny avy any Mahamasina, Anosy kosa miakatra an'Ambohidahy. Lasa laharan-tokana iny raha toa ka laharana roa ny avy aty Analakely sy tonelina Ambohidahy. Tsy maintsy miakatra ny Planète , ary miodidina ny rond-point be an'Ambojatovo, raha te-ho any Analakely, Behoririka sy Antanimena.Izay amin’ny ankapobeny ilay fandaminana ary efa natomboka omaly, mbola andrasana ny fivoakany rehefa mibosesika ny fiara avy any Ankorahotra sy Ambanidia hamonjy an’Analakely ohatra, eo koa ireo avy any Soanierana, Andrefan’Ambohijanahary, Mahamasina.Miampy ireo avy any Ankorandrano sy Antanimena ohatra ka hiazo an’Analakely sy Antaninarenina.Efa hita taratra ny fitohanana omaly, ny handamina sy hampihenana ny fitohanan’ny fiara anefa no tanjona. Zava-dehibe amin’ny fanovana sy fandaminana tahaka izao ny fanajan’ny tsirairay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana far aha samy hanao ankisisika dia na inona na inona fandaminana apetraka dia ho olana foana .Miandry izay fivoarana amin’ity herinandro ity.


• Tsy misy intsony ny fiantsonana 119 eo Ambohijatovo
• Tsy misy intsony ny fifanenana Manoloana ny Ritz
• Mila mihodina rond point eo amin’ny super music Analakely ny fiara avy any Ambohijatovo ho any an’Anosy
• Mandeha tunnel Ambohidahy raha ho any Anosy, Miakatra eo amin'ny cinéma REX kosa raha ho any Antaninarenina
• Mandalo eo amin'ny collège de France sy ny Planète Ambohijatovo ny fiara ho any Ambatonakanga, Faravohitra, Amparibe
• Ny fiara avy any Ambondrona, sy Faravohitra ho any Anosy dia mandalo ao ambadiky ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena.
Legende:Teo Ambohidahy omaly hariva, lasa laharana tokana ny avy any Anosy miakatra an’Ambohidahy. (sary nindramina)
Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT