ANDABOLY TOLIARA

Mazda nifatratra tanin’ny tsena, olona 2 naratra


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Fiara mazda iray afak’omaly Sabotsy alina no nifatratra tamina tsena fivarotana amoron-dalana

tao amin'ny Fokontany Andaboly , distrikan’i Toliara faharoa raha iny efa tao anatin’ny torimaso iny ny rehetra. Efa tamin’ny 11 ora alina tany ho any mantsy no nitrangan’izany, raha araka ny vaovao azo .Tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy na olana ara-teknika nahazo ilay fiara no niteraka ny loza. Olona roa naratra mafy vokatr’izany izay efa tsaboina any amin'ny hopitaly avokoa. Samy lehilahy izy ireo ka ny iray voamafy eo amin’ny lohany sy ny tratrany, raha ny tongony kosa ny an’ilay iray. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny olana ara-teknika mety hahazo ny fiara avokoa no antony miteraka ny 80%-n’ireo lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 20% ambiny kosa no avy amin’ilay mpamily. Pati
Legende : Teto ilay toerana nitrangan’ny loza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT