Fifamoivoizana

Analanjirofo Nahazo baka vaovao Vohilego sy Ambatoaranana


  • Talata 08 Septambra 2020

Afa-pahasahiranana ny mponina ao amin`ny Kaominina Vohilego sy Ambatoaranana, Distrika Fenerive Est, Faritra Analanjirofo satria dia nahazo baka vaovao.

 


Efa 8 taona izay no tsy nisy bakam-panjakana tamin’ity toerana ity ka tamin’ny herintaona no nangatahan’ny mponina ny fisian’ity baka ity, ka izao tanteraka izao. Ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny asa vaventy moa no nanolotra izany ho an` ny vahoaka any an-toerana. Mitentina 200 tapitrisa ariary ny vidin’ny baka, manana motera 2 izay mora amboarina sy azo karakaraina ety antoerana. Nisy ny tolo-bidy natao nahafahana mitantana ny baka. Nanamafy kosa ny Minisitra ny amin’ny fikajiana sy ny fanaraha-maso ny baka mba hampateza azy. Miasa 24 ora amin’ny 24 ny baka ary tsy andoavam-bola. Ankoatra ny fanolorana ny baka dia nampanantena ny fanamboarana lalana atao rari-vato mirefy 17km mampifandray Kaominina 3 ny Filoham-pirenena, dia ny Kaominina Vohilaingo, Saranambana, ary Miorimivalana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT