Fifamoivoizana

Analamahitsy Nosamborina avy hatrany ilay mpamily sy ny reseverany


  • Zoma 03 Jolay 2020

Misy hatrany ireo mpitondra taxibe tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana no sady mandrisika ireo polisy hanao kolikoly.

 

 

 

Tsy misy hafa amin’izany ny nitranga tetsy Analamahitsy rehefa tratra tsy nanao arotava ny mpandeha iray teo akaikin'ny resevera. Mbola notambazan'ny mpamily sy resevera vola ihany koa ilay polisy nandritra izany mba hamela azy ireo handeha. Hentitra ny polisin'ny boriborintany fahavalo manoloana ny fampiharana ny fanajana ny lalàna hiarovana ny ain'ny olom-pirenena ka nentina avy hatrany teny amin'ny kaomisaria ilay mpamily sy ny mpanampy azy hatao fanadihadiana raha nampidirina ambalam-pamonjana kosa ilay taxibe. Ho an'ny polisin'ny boriborintany fahavalo manokana dia miisa 03 indray ireo taxibe tratra tsy nanara-dalàna ary 25 ireo olona nampanaovina asa iombonana teny an-dalambe omaly alakamisy hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT